Nidina tany ifotony, tanaty ala, ny lehiben’ny distrika Soanierana Ivongo, sady lehiben’ny OMC. Tafiditra anaty faritra arovana ny alan’Ambalanirana, fokontany Antanadava, kaominina Manompana, distrika Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo. Ny 18 hatramin’ny 21 marsa teo no nanatanterahina izany, niarahan’ny tomponandraikitra sivily sy miaramila, ka anisany ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany (DRMRS) sy ny ao amin’ny Tontolo iainana (Dredd) Analanjirofo. Nesorina avy hatrany ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna, mahatratra 1 500, izay nikapa ny ala, hanaovana trano fonenana sy trano fialofana, ary mikasa ny hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany. Nentanina hiala anaty faritra arovana izy ireo tao anatin’ny 48 ora. Nanaiky ny fandaminana ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna, ary eo ambany fiarovan’ny mpitandro filaminana ny fiambenana ny toerana ankehitriny.
Mbola hitohy ity fitsirihana ataon’ny manam-pahefana any an-toerana ity, indrindra ny ao anatin’ny faritra arovana. Tanjona ny tsy hiverenan’ny tranga toy izao intsony, sady ho fampiharana ny lalàna manan-kery ihany koa.
Njaka A.




