Vitsy ny Malagasy afaka manangana na manavao ny trano fonenany. Manome vahaolana ny banky BMOI, hanohanana ny mpanjifa, hisitraka trano sahaza.
Manome tolotra vaovao sy miavaka ny banky BMOI, sampan’ny Vondrona BCP. Nambaran’ny tomponandraikitra fa natao ireo tolotra ireo, satria maro no tsy manana ny fahefa-mividy ho an’ny trano fonenana. Araka ny antontanisa, manana trano ny 70% ny Malagasy, saingy ny 30% ihany no tena tompon’ny trano honenany, manana taratasy ara-dalàna. Nividy na nandova tamin’ny ray aman-dreniny ny 13%. Ireo no nahatonga ny BMOI, manome tolotra vaovao ho an’ny trano fonenana (Gamme Immobilier), miaraka amin’ny fiantohana azy.
Misy karazany efatra izy ireo, ny Faniry, ny Tranovao, ny findramam-bola Diaspora ary ny fiantohana Assur’Habitat. Tanjon’ny BMOI ny hanamora ny hahazoan’ny mpanjifa trano fonenana sahaza azy. Afaka misitraka izany daholo na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Toroina hevitra sy lalana ny mpanjifa amin’ny fananganana ny tetikasa sy ny vinany, amin’ny alalan’ny Drafitra fitahirizam-bola ho an’ny trano fonenana. Miroso amin’ny fomba fanatanterahana azy avy eo. Fampindramam-bola ho an’ny monina eto Madagasikara ny tolotra Faniry. Ho an’ny miasa tena sy ny mpanjifa tsotra. Kely ny zanabola, anisan’ny ambany indrindra miohatra ny an’ny banky hafa. Tohanana hatramin’ny farany ny mpanjifa amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy.
Misy ny fiantohana
Fampindramam-bola ho an’ireo te hanavao ny tranony, ao anatiny na ivelany, ny tolotra Tranovao. Hanova endrika, na koa hanisy fanamboarana na fanatsarana. Maharitra 120 volana ny fanatanterahana ny asa. Natao ho an’ny mpanjifa matihanina eto an-toerana na monina any ivelany. Misy ny fiantohana Assur’Habitat, hiarovana ny mpanjifa, mba tsy hampiahiahy azy ireo.
Njaka Andriantefiarinesy




