Nidina ifotony tany amin’ny kaominina Anivorano sy Fetraomby, distrika Brickaville, ny fitantanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany (DRMRS) Atsinanana sy ny BCMM Toamasina, ny 16 hatramin’ny 20 marsa teo. Napetraka ny fari-pitrandrahana voafehy (Zone d’encadrement) ny harena ambanin’ny tany madinika tany an-toerana. Natao ny 24 marsa kosa ny tany Mahavelobe, kaominina Vinanitelo, distrika Manakara, notontosain’ny DRMRS Fitovinany sy ny BCMM Manakara.
Nampahafantarina ireo mpitrandraka madinika ny fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sady nanentanana azy ireo koa hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Tanjona ny hanajana ny lalàna sy ny fitsipika manan-kery, toy ny fikajiana ny tontolo iainana, ny tsy fampiasana zaza tsy ampy taona, sns. Kendrena ny haha mpisehatra tomponandraikitra sy matihanina amin’ny fiharian’ireo mpitrandraka madinika.
Njaka A.




