FANTINA sy FINTINA

Navoaka ny fonja, nentina nohadihadiana tetsy amin’ny « Inspection générale de l’Etat », ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michèlle, omaly. Anisan’ny hiahiahina azy ny fanodinkodinam-bola teo anivon’ny minisitera notantaniny, tao anatin’ny efa-taona. Tsiahivina fa tazonina eny amin’ny fonjan’ Avara­drano ny tenany, amin’izao fotoana izao.
Nanolotra jiro ho an’ireo eo anivon’ny Kiadin’i Madagasikara (Kim), faritany Atsinanana, ny antoko Malagasy miara-miainga. Nahatsapa ity antoko naorin’Andrianainarivelo Hajo ity fa niasa tsy an-kiato ary nanampy ny mpiara-belona ireo tanora ireo, nandritra ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani.
Hofonosin-damba ireo taolambalon’ireo mahery fo any Mananjary, ny 29 marsa izao. Adihevitra be ny nialoha izao hetsika izao. Nanome alalana hanao izany ny ampanjaka saingy tsy hanatrika izany noho ny fomba Antambahoaka, tsy mamadika. Natao anefa izao ahafantaran’ny taranaka fa nisy nitolona tany ary natao tao anaty gony ny fatin’izy ireo.
Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny loholona teo aloha, Rabetsaroana Sylvain rehefa nohenoina teny amin’ny fampanoavana. Naharitra ora maromaro izany ka anisan’ny vesatra niampangana azy ny fikononkononana fanonganam-panjakana. Voalaza koa fa maromaro ireo mbola hosamborina manoloana izany raharaha izany.

Partager sur: