INDRAY MIJERY

Notontosaina teny amin’ny distrika 20, anatin’ ny faritra 12, ny fanadihadiana nasionaly mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana (PF), ny vohoka tsy niriana ary ny fikarakarana ny fahasarotana noho ny fanalan-jaza eny anivon’ny hopitaly. Natomboka ny volana desambra 2024 ka hatramin’ny desambra 2025 ny fanadihadiana ka nahazoana fijoroana vavolombelona avy amin’ny mpisehatra fototra miisa 241. Niara-niasa tamin’izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS ary ny UNFPA ao anatin’ny fandaharanasa “2Gether 4 SRHR”, vatsian’i Suède vola.

Andro maneran-tany hiadiana amin’ny tiberkilaozy, afakomaly. Andro natao hampahatsiahy fa mbola misy ny aretina tsy tokony hohadinoina. Azo tsaboina tsara ny tiberkilaozy raha voatily ara-potoana sy arahina ny toromariky ny mpitsabo. Nosafidiana ny lohahevitra “Eny foanantsika ny tiberkilaozy. Andraikitry ny firenena, iaraha-mientana amin’ny vahoaka”, tamin’ity. Marary iray tsy mitsabo tena, mamindra amin’ny olona 12 isan-taona.

8 000 Ar ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenam-ponkotany, 5 000 Ar ny haricot vert iray kilao. 2500 Ar ny tsaramaso sy ny voanjobory ary ny petits pois iray kapoaka. Sahirana ny mpahandro sakafo fa niaka-bidy avokoa ny akora fototra eny an-tsena.

Partager sur: