Nanokatra ny taom-piasana ara-panabeazana 2026-2027 tao amin’ny Ivontoerana Kolontsaina Imam Reza ao Ivato, ny Kiadin’i Madagasikara (KIM), fikambanana skoto malagasy, ny fiandohan’ity herinandro ity. Nisy ny fizarana fehy vozona ho an’ireo mpikambana ao amin’ny birao foibe ary koa ny fandraisana ofisialy ireo lefitry ny mpitarika, nandritra ny lanonana. Fanombohan’ny fe-potoam-piasana telo taona ho an’ny Kaomisera Jeneraly, Okapi Droit ihany koa tamin’io fotoana io.
Nanatanteraka asa soa teny amin’ny faritra Anosibe, tao amin’ireo mpitaiza ankizy toy ny Association Meal Espoirs sy ny sekoky Associatives l’Île aux Enfants – Madagascar, ilay mpanao fampihomezana malagasy, Joely, afakomaly. Tafiditra anatin’ilay tetikasa “Mbola Mijoro ho an’ny zaza malagasy” izao hetsika izao. Nambarany fa anisan’ireo vina lehibe nalehany eto Madagasikara ny hanao izao asa soa izao, ankoatra ny fampisehoana.
Tanterahina nanomboka ny 20 hatramin’ny 22 oktobra 2026 ny atrikasa fifanakalozan-kevitra sy fandrindrana iarahan’ireo sehatra marolafy sy ireo mpiara-miombon’antoka mahakasika ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fanohanana ara-pisikolojika. Zava-dehibe ny fiaraha-misalahy amin’ny fampiroboroboana ny ady atao amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-tsaina, hoy ny Talen’ny Fitaleavana misahana ny ady amin’ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny minisitera, mpitondra tenin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.





