Lehilahy iray nandrahona mpivarotra tamin’ny basy kilalao sy antsy maranitra voasambotry ny polisy tetsy Avaradrano, afakomaly. Nahazo angom-baovao tao Andranovelona Sabotsy Namehana ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Avaradrano. Nandositra ilay lehilahy rehefa nahatsikaritra ny polisy saingy voasambotra tsy lavitra teo.
Naiditra vonjimaika am-ponja ny 23 marsa 2026 teo, ny lehilahy iray 56 taona, mpivarotra rongony any Ampahatra Antsirabe. Mody mitantana klioba ana baolina kitra any an-toerana izy nefa mivarotra rongony. Natao ny fikarohana ary tratra tao an-trano fonenany. Nahitana rongony 39 fonosana tao aminy. Enjehin’ny lalàna ny fivarotana sy fampirisihana olona hidoroka rongony.
Mpanao sinto-mahery miisa telo voasambotry ny polisim-pirenena tany Mahabibokely Mahajanga, ny 23 marsa lasa teo. Tratra teo am-pangalarana zavatr’olona mpandalo ireto olon-dratsy ireto, ny alatsinainy hariva teo. Marihina fa efa anisan’ireo nahazoana fitarainana avy amin’ny mponina amin’ity asa ratsy ity izy ireo.
Jiolahy miisa enina sy mpimasy iray voasambotry ny polisy tany Farafangana. Nitrangana vaky trano amin’ny andro atoandro tany Mahatsara Avaratra, ny 28 febroary 2026 teo. Nisy ihany koa tao Impitiny sy Marofatsy ary Mahatsara Atsimo, ny 11 sy 20 marsa. Natao ny fikarohana, tratra ny iray tamin’ny olon-dratsy ary izy no nanoro ny namany hafa.




