FANTINA sy FINTINA

Lasa nihazo an’ i Guinée Équatoriale, omaly, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Tafiditra amin’ny fitadiavam-bahaolana hanalana tsikelikely ireo sazy mihatra amin’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona afrikanina izany, araka ny fampitam-baovao. Hihaona amin’ny filohan’i Guinée sy ny filoha Afrikanina hafa izy amin’izany.
Miarahaba sy mirary fahombiazana ireo mpikamban’ny governemanta vaovao ny filoha nasionalin’ny antoko MMM, Andrianainarivelo Hajo. « Adidy lehibe no miandry anareo amin’izao fanavaozana izao. Hitondra fiovana tena izy ary vahaolana maharitra manoloana ireo fanamby goavana miandry ny firenentsika », hoy izy.
Nisaotra ny vahoakan’Antsiranana I ny depiote teo aloha, Rahelihanta Jocelyne Maxime, taorian’ny fanapahan-kevitry ny HCC, nanala azy amin’ny toerany maha solombavambahoaka azy. Nambarany ny fanohanany ny handimby azy, ny depiote vaovao, i Claude Émile Sylvain, eo anivon’ny Antenimie­ram­pirenena.
Voatendry ho tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Fonds souverain malagasy (FSM), ny Jly Rasolofonirina Béni Xavier, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha. Voatendry tamin’izany koa ireo lehiben’ny faritra mitantana vonjimaika ny any Bongolava sy Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania.

Partager sur: