Notafihin’ny lehilahy miisa roa ny banky iray eny Anosivavaka Ambohimanarina, omaly atoandro. Nitondra basy izy ireo nandritra izany, ary nambanany tamin’izany ny mpiasa tao amin’ilay banky. Norahonany ho tifirina ireo mpiasa raha tsy manome ny vola takin’izy ireo. Voaroba tamin’izany ny vola mitentina 20 000 000 Ariary. Nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany mahakasika ny zava-nitranga ny tomponandraikitra tao an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga teny amin’ny toerana nisehoan’ny fanafihana ireo mpitandro filaminana avy amin’ny UIR sy ny SUT ary ny CSP6 Ambohimanarina. Voasambotra ivelan’ny banky ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka niaraka tamin’ny kodiaran-droa kosa ilay namany, nitsoaka nihazo an’Ambodivonkely, saingy tratra teny Ambohimanandray. Mbola hita teny amin’izy ireo ny vola nangalariny. Fantatra nandritra ny fisavana sy ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena, voamarina fa basy kilalao no nampiasain’ireto olon-dratsy ireto tamin’izany. Mbola nahitana rongony fonosana enina ihany koa tany amin’izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana izy roa lahy ireto aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.
Mino




