Tetikasa lehibe ny Fanamafisana ny fampiasam-bola hanarenana ny rohivoahary eto Madagasikara (Irema). Faritra dimy (Diana, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Vatovavy, Sofia) no voakasika, mitotaly 60 500 ha, ao anatin’ ny Faritra arovana Montagne d’Ambre, Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ), Tandavanala Cofav, Faritra Arovana Mahimborondro sy Bemanevika. Mitentina 14 tapitrisa dolara ny tetikasa Irema ho an’i Madagasikara, avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF), maharitra 5 taona. Anisan’ny asa hatao ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo voajanahary, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, ny ala vadim-boly, ny fambolena ho an’ny mponina, mitotaly 93 852 ha. Maherin’ny 54 000 ny tokantrano hisitraka azy mivantana.
Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andriatsihala Luck, omaly, fa vola tsy averina io avy amin’ny GEF io, ka midika fa volam-bahoaka. Mila hentitra ny fitantanana, ny fampiasana azy ary mitaky vokatra mahomby. Mba ho lohany isika miohatra amin’ireo firenena 20 hafa.
Varotra karbaona
Hampiavaka ny Irema, ny hampiasana ny ampahany amin’ny vola, hiteraka vola ihany koa, mba hampaharitra ny asa atao, amin’ny alalan’ny fivarotana entona karbaona (CO2). Vinavinaina hatrany amin’ny 300 tapitrisa dolara ny vola hiditra amintsika amin’izany.
Njaka A.




