Manana minisitera mitokana ny Fiompiana. Io no anisan’ny nampiavaka ny mpikambana ao anatin’ity governemanta vaovao ity. Tsiahivina anefa, fa nitaky ny hametrahana fitantanana jeneraly mahaleo tena ireo mpiasan’ny Fiompiana, saingy nolavin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana teo aloha. Nivaly ny fitakian’ireo mpiasa, ka izao manana minisitera mitokana izao.
Nisy tafiditra anaty faritra efa misy manana fahazoan-dalana hikaroka, an’olon-kafa, ny fitrandrahana ataon’ireo mpitrandraka madinika any Ivandrika sy Ankazobetroka, kaominina Zazafotsy, distrika Ihosy. Naaton’ny teknisianin’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny BCMM, omaly, ny fitrandrahan’izy ireo.
Tontosa omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Asa vaventy, vao voatendry, Rafefimanana Sambilason Richard, nandimby an-dRazafindrianarivo Henri Jacob. Nivoitra nandritra ny fotoana, fa fototry ny fampandrosoana ara-toekarena ny lalana. Nisy ny ezaka natao, nahitana fanovana tao anatin’izay efa-bolana farany izay, fa maro koa ny fanamby tsy maintsy tohizana.




