Nampitondraina ny lohahevitra « Zanak’Imamo mifety » ny lanonana hateloana hanamarihana ny fetin’ny Paka any Arivonimamo. Sabotsy 4 avrily, alahady 5 avrily, ary ny Alatsinain’ny Paka 2026 ho avy izao, miraka amin’ny Fikambanana zanak’Imamo.
Sabotsy 4 avrily, filaharambe mitety tanàna, manomboka amin’ny 7 ora maraina, andraisan’ny vahoakan’Arivonimamo tsy ankanavaka anjara. Arahina fifaninanana fanatanjahantena sy kolontsaina samihafa avy eo, toy ny hazakazaka zanak’Imamo, bisikileta, échecs, fanorona, basket à 3, Foot à 9, tsipy kanetibe. Fifaninanana sy lalao samihafa hatao eo amin’ny Dongona kosa, ny tolakandro. Alahady tolakandro, lalao samihafa. Takarivam-piraisankina, hiarahana amin’ny tarika Zandry Gasy, ao amin’ny Espace Min Refuge, manomboka amin’ny 8 ora alina. Fifantenana izay ho Miss sy Mister Zanak’imamo 2026 ny mamarana ny alahady. Alatsinain’ny Paska, mitohy amin’ny lalao famaranana ny tapany maraina ary faranana amin’ny rindran-kira goavana maimaimpoana miaraka amin’ny tarika Mage 4 y hariva.
“… Mifanandrify indrindra amin’ny vinan’ny Zanak’Imamo ny fanetsehana ny tanàna amin’ny lafiny rehetra”, hoy ny filohan’ity fikambanana ity.
HaRy Razafindrakoto




