Fanolanana zaza : Teratany vahiny sy malagasy voasazy

Zazavavikely tsy ampy taona iray lasibatry ny fanolanana sy fanararaotana mamoafady teto Madagasikara. Napari­tak’ireo olon-dratsy tamin’ny tambajotran-tserasera ny horonantsary mampiseho fanararaotana ara-nofo ana habaka natao taminy. Nahita izany ny mpanao fanadihadiana amerikanina ka nanokatra fanadihadiana. Niarahan’izy ireo niasa tamin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana amin’ny ambasady amerikanina eto an-toerana sy ny polisy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka izany. Voaaro ilay zaza lasibatra ary voasambotra ireo nahavanon-doza. Nahitana teratany amerikanina iray sy Malagasy iray ireo olo-meloka, raha ny fanambarana navoakan’ny ambasady amerikanina, omaly. Voaheloka higadra 17 taona any Etazonia ilay teratany amerikanina, taorian’ny fitsarana sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Voa­sazy higadra dimy taona an-tranomaizina eto Madagasikara kosa ilay Malagasy.
Marihina fa nitarika ny fanadihadiana avy amin’ny polisim-pirenena malagasy Ralihivao Tsitohaina Arthur. Vao avy nandray anjara tamin’ny fandaharanasa amerikanina “Interna­tional Visitor Leadership Program (IVLP)” momba ny ady amin’ny famarinana olona ny tenany.

Mino

Partager sur: