FANTINA sy FINTINA

Samy nahatanteraka ny fifamindram-pitantanana ny ankamaroan’ireo minisitra miisa 13, vaovao eo anivon’ny governemanta, omaly sy afakomaly. Nana­songadina ny laharam-pahamehana avy ho amin’ny fanavaozana izy ireo. Anisan’ny niraisan’ireo minisitra ireo koa ny fangaraharana, araka ny toromarika nomen’ny Filoham-panjakana azy ireo.
Latsa-danja ny isan’ireo vehivavy eo anivon’ny governemanta, araka ny fanamarihan’ny depiote teo aloha, Johasy Eléonore. Miisa sivy mirahavavy mianaka izy ireo, araka ny nambarany. «Nisy tokoa ireo mbola nijanona. Ampirisihina hamaly ny hetahetam-bahoaka izy ireo. Eo koa ny tsy tanteraka sy ny olana vaovao», hoy izy.
Nanomboka omaly ny fandraisana ireo kandidà maherin’ny 60 hifaninana ho solontenan’ny HCC handrafitra ny birao maharitry ny Ceni. Anjaran’ireo mpitsara avo miisa 9 etsy Ambohidahy no mifidy ny ho solontenany amin’ izany. Tsiavina fa efa lany hisolo tena ny Holafitry ny mpisolovava eo anivon’ny Ceni, ny Me Rabetokotany Mamy.
Hihaona amin’ny vahoakan’i Mahajanga ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, anio. Hifampiarahaba noho ny taona vaovao izy ireo ary haneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena. Efa any an-toerana, hatry ny omaly, ireo delegasionina avy amin’ny birao politika nasionaly niara-nivory amin’ireo mpitarika ny Tim ao Mahajanga, hanomana izany.

Partager sur: