27 marsa, hanamarihana isan-taona ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra. Hizarana isan-taona ihany koa ny hafatra avy amina mpisehatra malaza iray, ka i Willem Dafoe, mpisehatra amerikanina, no nitondra izany tamin’ity. Niresaka ny asa mafy sy ny finiavana anatin’ny teatra izy, sy ny fahavitsian’ireo mpijery liana. Teo koa ny fidiran’ny teknolojia vaovao amin’ny tontolon’ny zavakanto, izay manova ny fironana maneran-tany mihitsy.
Tojo izay olana izay koa ny teatra malagasy, ary efa an-taonany maro izao. Maro ireo mpisehatra sy ireo tropy teatraly. Manodidina ny 250 eo ireo mpisehatra mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mpanao teatra eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny filohany, omaly. Maro nefa vitsy ihany raha oharina amin’ ny seha-kanto hafa. Miezaka mampita sy mampitia izy ireo, saingy tojo olana matetika ka toa kanto mihafihafy eny foana ny teatra eto Madagasikara. Misy, miaina, fa tsy mivelatra tsara.
Nisy ny velakevitra manodidina ny teatra tetsy amin’ny Efitrano Charles Ravaloson, ao amin’ny Ivokolo Analakely, izay niresahana indrindra ireo olana ireo. “Inona no ilaina?”, ny lohahevitra novelabelarin-dRamanantsoa Christiane, mpandrindra an-tsehatra. Ny toerana hiseharana, manaraka ny fenitra takin’ny teatra. Io no tsy misy eto. Misy azo hiafiana ihany, toy ny ivokolo ao Analakely sy ny AFT Andavamamba, fa tsy ampy. Nitondran-dRabekoto Christian fanazavana ihany koa ny firosoana amin’ny niomerika, izay enti-miaro ny zavakanto toy ny teatra.
Zo ny Aina




