Hitohy ny talata 31 marsa, eny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny dinika fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara mahakasika ny hoavin’ny vola malagasy. Miantso ny rehetra hamonjy ny fihaonana ny BFM handraisana ny hevitry ny maro hanatsarana sy hampivoarana ny Ariary, ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.
Mitentina 14 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny tetikasa « Renforcement des investissements dans la restauration des écosystèmes à Madagascar » (Irema). Haharitra dimy taona ny tetikasa. Tanjona ny hanamafy ny fiarovana ny karazan-javamananaina amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, fampiroboroboana ny fiompiana maharitra ary ny fanabeazana ireo mponina ifotony. Hisitraka ity fandaharanasa iraisam-pirenena ity ny faritra Diana, Sofia, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania ary Vatovavy.
Nihena ny vokatra makamba nanomboka ny taona 2000, nihamafy ny tsindry, mifanditra ireo samy mpanjono. Nanao atrikasa ara-teknika nandinihina sy nankatoavana ny drafitra maharitra hanombanana sy hitantanana ny tahirin-tsakafo makamba mandritra ny dimy taona ny minisitera voakasika sy ny WWF Madagasikara. Nizara traikefa sy fomba hitantanana maharitra izany ireo manampahaizana, mpikaroka, mpiara-miombon’antoka.




