FANTINA sy FINTINA

“Mila manana fahasahiana ireo minisitra”. “Fantatr’ireo minisitra rehetra ireo ireny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty ireny. Any izany no tena mila fahasahiana izao… ” Io ny fanehoan-kevitry ny ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fijoroan’ny governemanta vaovao amin’izao, indrindra amin’ny fiatrehana amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. Mahatratra 3 811 miliara Ar no very tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Saika samy mety ho voakasika amin’izany ireo minisitera tsirairay avy eo amin’ny fitantanam-bola, fitaovana, olona… Hatramin’ny fomba fiasa.

“Hifantoka amin’ny vaventy ny ady amin’ny koli­koly”. “Andao hifantoka amin’ny kolikoly vaventy. Raha momba ny tsimatimanota: ny olona tsotra no maty manota, fa ny manam-pahefana tsimatimanota.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, tamin’ny tatitry ny Bianco teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, afakomaly. Raha ny paikady iadiana amin’ny kolikoly hoe ady amin’ny tsimatimanota, mila tadiavin’ny Bianco aloha ny kolikoly nataon’ny Praiminisitra, ny minisitra… Izay ilay atao hoe kolikoly politika. Izay ny zavatra ngezabe hatao: andao ilay goavana no hiadiana…

Partager sur: