Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tany Mahajanga ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny sabotsy teo. Nambarany, tamin’izany, fa nankato ny sori-dalana nentin’ny fitondrana Fanavaozana ny antoko Tim. Efa voafaritra ao ny tetiandro sy ny dingana hirosoana. «Manohana sy miara-miasa amin’ny fitondrana Fanavaozana isika ary manara-maso izany ho amin’ny fanatanterahana ny voalazan’ny Tondrozotra mba tsy ho resaka fotsiny», hoy izy. Anisan’ny notanisainy, tamin’izany, ny tsy mbola fanombohan’ny tetiandro ho an’ny fikaonandoham-pirenena, ny fanomanana sy ny fikirakirana ny lisi-pifidianana… Nahatonga ny sehatra iraisam-pirenena misalasala izany manoloana ny sori-dalana, noho ny ahiahian’izy ireo amin’ny tsy mbola fipetrahan’ny fitoniana.
Naverimberiny ny fiaraha-miasa amin’ny fitondrana ao anatin’ny fanajana ny maha Malagasy, ny soatoavina sy ny hasina maha Malagasy. Aoka hifananatra sy hifanoro fa tsy misy tsy diso na tsy ho solafaka izany, araka ny nambarany. « Tsy hanilika ny hafa isika satria mety nahatsiaro izy ireny fa mety ny tany saingy tsapany fa diso lalana izy ireny aty aoriana », hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nanteriny fa anisan’ny lehibe sy matanjaka ny Tim, nefa adinon’ny sasany izany indraindray. Na izany aza, nohitsiny fa hain’ny antoko ny miaina sy ny milalao ao anatin’izany. Nefa koa tsy tokony hifanilika, araka ny nambarany.
Notsiahiviny fa efa hita taratra ny fanovana. Afaka ny sakana sy ny didy jadona ary malalaka ny fanehoan-kevitra. « Niharan’ny antsojay sy ny sakantsakana isika teo aloha. Tonga amin’ny tadiavin’ny Malagasy isika izao. Mba ho taona ahitana fanovana sy fahalalahana ity ary ho afaka ireo disadisa sy ny olana samihafa, toy ny jiro sy ny rano », hoy izy.
Synèse R.




