Nitsidika an’i Guinée Equatoriale ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nambarany, taorian’izany, fa azo atao eto Madagasikara ny fitrandrahana solika goavana toy ny any an-toerana.
Ny soa mahatarika… Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, fa mampametra-panontaniana ny tsy fahazoan’i Madagasikara mamolavola sehatra mitovitovy amin’ny ao Guinée Equatoriale. Koa ilaina ny fijerena ifotony ny fahaiza-manao, indrindra eo amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fikarohana loharanon-karena vaovao mihoatra ny efa nekena. Izay ny vokatry ny fitsidihany tany Malabo, Guinée Equatoriale, ny ivon-toerana lehibe mpamokatra ary mpanodina solifara sy entona voajanahary Punta Europa, tamin’ny 28 marsa lasa teo. Nampiroborobo ny famokarana faobe ary nandray anjara lehibe tamin’ny fanavaozana ara-toekarena any an-toerana io ivontoerana famokarana io, anisan’ny andry lehibe mampandroso ny sehatry ny angovo.
Efa 30 taona mahery ny asa fikarohana sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary famokaranany amin’izany. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny sehatra sy rafitra ara-toekarena sy ny fidiram-bolam-panjakana izany. Mamokatra 14 500 barila isan’andro, ohatra, ny solifara, ary entona voajanahary 20 000 m³ isan’andro ireo toeram-pitrandrahana roa any Malabo. Mahatratra 136 000 m³ ny fahazoana mitahiry solika voahodina, ary atao isaky ny sivy andro ny fandefasana sy fanondranana izany an-tsambo.
Manan-danja stratejika ho an’i Madagasikara ny fitsidihana. Manasongadina ny fahazoana mifampizara traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny indostria, indrindra eo amin’ny angovo sy ny harena an-kibon’ny tany. Izay no nahatonga ny fametraham-panontaniana ny amin’ny tsy fahazoan’i Madagasikara mamolavola sehatra mitovitovy amin’ny ao Guinée Equatoriale io. Azo heverina… Ilaina ny fampiasam-bola amin’ny fotodrafitrasa maoderina mba hampitomboana ny sanda ara-toekarena eto an-toerana
R. Nd.




