Miankindoha tamin’ny rôrô: Lehilahy nifamonjena tao am-ponja

Nifamonjena tao amin’ny fonjakely nihazonana azy, omaly, ny lehilahy iray voasambotry ny polisy. Nihetsika tampoka ny filan’ny vatany izay efa zatra niankindoha tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika “heroïne” fantatry ny besinimaro hoe “rôrô”. Nampananosarotra ho an’ny mpitandro filaminana izay mbola misahana ny famotorana azy ny fihetsik’io lehilahy io. Raha atsidika, voasambotry ny polisim-pirenena miasa eny Alasora ny faran’ny herinandro teo, io lehilahy io. Nahatrarana entana halatra toy ny fahitalavitra sy finday teny aminy tamin’ny fotoana nanavaon’ny mpitandro filaminana fisafoana. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy izy ka natao fanadihadiana. Voatery mitady vola 60 000 Ar isan’andro hitsindromana io karazan-java-mahadomelina io ilay mpangalatra. Voalaza fa antony iray anisan’ny nanosika azy hanao io asa ratsy io ny fiankinandoha tamin’ny heroïne”.

Tsiferana R.

Partager sur: