FEC -FRD: Fitsirihana ataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena

Manan-danja amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ny famatsiambola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Tombanana, ankehitriny, ny zava-bitan’ny fanjakana malagasy sady dinihina ihany koa ny hoavy.

Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tarihin’i Constant Lonkeng Ngouana. Mandritra ny roa herinandro ny dian’izy ireo, tafiditra ao anatin’ny fitsirihana faha-3 sy faha-4 ny fandaharanasa Fampindramam-bola no­hamoraina (Fec) sy ny Fam­pindramam-bola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (FRD). Nivory niaraka tamin’ ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Rabe­a­rimanga Radonirina Lucas, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andriatsihala Luck ary ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), Andri­anarivelo Aivo, ireo delegasionina FMI, omaly, nandritra ny fivoriana fanokafana.
Nifantoka tamin’ny fandinihana ny zava-bita tamin’ny taona 2025 ny fotoana. Eo koa ny fanamby mbola ho atrehina ary ny tari-dalana ho an’ny fanohizana ny fanavaozana ny adihevitra. Indrindra koa ho fanamafisana ny fitoniana ara-toekarena sy ny fitomboana maharitra sy iombonan’ny rehetra.

Fanarenana ny Jirama
Ho an’ny fampiasana ny Fec, anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra sy ny fandaniam-bolam-panjakana, ny fanamafisana ny fitantanam-bolam-panjakana ao anatin’ny mangarahara. Eo koa ny fiarovana ny sandam-bola Ariary ho marindrano.
Ho an’ny FRC, ilaina ny fitantanana tsara ny volam-panjakana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro mba tena hitondra fampandrosoana ho an’ny rehetra sady maharitra. Tsiahivina fa anisan’ny fepetra ao anatin’ny fifanarahana amin’ny FMI ny fanarenana ny Jirama sy ny tsy fanomezana fanampiana ara-bola azy intsony. Ny fampiharana ny vidin-tsolika mifanaraka amin’ny tsena iraisam-pirenena, sns. Maharitra 4 taona (2024-2027) ny Fec sy ny FRD.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: