Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha hala-jaza tany Antanambao, fokontany Ankaraobato Amborovy, Mahajanga, ny herinandro teo. Naiditra vonjimaika am-ponja, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ilay vehivavy tompon’antoka, taorian’izay. Tsiahivina fa nangalatra zaza menavava vao enina andro monja, tany Ankaraobato Amborovy, ny marain’ny zoma 27 marsa lasa teo ity farany. Nokasainy hoentina tany Marovoay, saingy voasambotry ny polisim-pirenena io andro io, tamin’ny 3 ora tolakandro, ny tenany. Taorian’ny fampilazana fikarohana nataon’ny ray aman-drenin’ny zaza.
Efa nikononkonona ny hangala-jaza io vehivavy io ary tonga tao amina tokantrano iray. Nangataka ny hitondra ilay zaza hivoaka ny trano sy hitady olona izy. Niaraka tamin’ny ankizilahy zandrin’ny renin’ilay zaza saingy nasainy niverina rehefa teny an-dalana. Niakatra fiara fitateram-bahoaka izy avy eo ary nandainga tamin’ny polisy teny an-toerana fa maty any Marovoay ny renin’ny zaza nentiny. Tsikaritry ny polisy ho hafahafa ny fihetsiny ka nalain’izy ireo sary niaraka tamin’ny laharan’ny fiara nandehanany. Nanao fampilazana fikarohana io zaza very io ny ray aman-drenin’ilay zaza taorian’izay. Nampilazana ny zava-nisy ny polisy.
Voalaza fa tsy miteraka io vehivavy io nefa mila zaza. Nilaza tamin’ny olona niarahany izy fa bevohoka ary hiteraka any Mahajanga. Rivotra fotsiny ny tao anaty kibony fa tsy zaza ka antony nahatonga azy nanao izao asa ratsy izao.
Mino




