Nitondra ny anjara birikiny ho an’ny mpianatra traboina tao Toamasina Rajery sy ny namany. Tamin’ny alalan’ny « Musicothérapie », nentina manampy amin’ny fitaizana ara-tsaina no nanatanterahany izany.
Mafy loatra ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani any Toamasina. Anisan’ny nizaka izany ny mpianatra. Nisy fiantraikany ratsy tamin’izy ireo ny faharavana hatrany amin’ny 90 %. Manoloana ny voina, nitondra ny anjara birikiny ny ekipan-dRajery. Nisy ny fizarana sy fitaizana ara-tsaina tamin’ny alalan’ny «musicothérapie» ho an’ny mpianatra, tao amin’ ny Lycée de Référence Toamasina, tamin’ny faran’ny herinandro.
«Sady nampihetsi-po no nahaliana ny mpianatra ny fifampizarana. Hotohizana ny tetikasa. Hanentanako ny mpanakanto namana rehetra mba hifampizara ny fahasamihafana ara-kolontsaina, ary hanamafy fa iray ihany ny Malagasy.», hoy Rajery. Nifarimbona tamin’ny fanatanterahana ny hetsika ny mpanakanto zanak’i Toamasina, toa an’i Moussa (mpitendry gitara), Dada Samy Malagasy, Mamie ao amin’ny Tarika Saha, ary solontena ao amin’ny Tarika Voanio. Nihaino, nandray ary nihira niaraka tamin’ireo mpianatra izy, izay heverina fa nahazo tanjaka ara-tsaina hiatrehany ny tohin’ ny fandaharam-pianarana sy ny fiainana ankapobeny.
Mahakasika ny fanarenana an’i Toamasina, anisan’ny nitondra fanampiana ny mpanakanto Rajery. «Efa tonga any ny andiany voalohany ary mbola hisy tohiny», hoy izy. Ankoatra izay, hotontosaina any Toamasina ny «Festival Angaredona» amin’ity taona ity. «Tena mila angaredona ny tanànan’i Toamasina», hoy hatrany Rajery. Hetsika lehibe indrindra ho an’ny mozika miaina izy ity, sady famohazana no fampitana ny kolontsaina malagasy isam-paritra koa.
Zo ny Aina




