Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa « Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo- Phase II » na ny PIAA2. Hiompana amin’ny fametrahana fotodrafitrasa hisorohana sy hampihenana ny tondradrano izany. Hanampy amin’ny fanavaozana ny tambajotran-drano maloto sy ranon’orana ihany koa. Ankoatra izay, hanatsara ny fari-piainan’ny mponina, indrindra eny amin’ny faritra iva.
Mitotaly 53 tapitrisa euros ny tetibola hanatanterahana ny tetikasa. Famatsiam-bola sy fanohanana avy amin’ny tahirim-bola frantsay ho an’ny Fampandrosoana na ny AFD sy ny Vondrona eoropeanina ary ny fanjakana malagasy. Hanomboka ny zoma ho avy izao ny asa. Hatao eny Analakely sy Antanimena, ary Mahamasina ny dingana voalohany. Hampitomboina sy hatsaraina ao anatin’izay ny tambajotra fanarian-drano. Hanamafisina amin’ny alalan’ny tetikasa ny fahaiza-manaon’ny mponina eny an-toerana. Hisy ny fanentanana azy ireo hahay hikojakoja ny tontolo manodidina.
Marihina fa isan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana ary fidiovana. Hitondrana vahaolana maharitra ho an’ny Renivohitra ny PIAA 2. Ho Antananarivo madio, voaaro amin’ny tondradrano ary maharitra rahateo no tanjona lehibe hotratrarina.
Haharitra roa taona ny asa atao.
Henintsoa




