TSELATRA

Vehivavy iray hita faty tao Ambalamanasa, fokontany Andranomainty, kaominina Manakara, omaly. Tsy nisy nahalala azy ny mponina nanatri-maso. Nentina nihazo ny tranom-paty ny vatana mangatsiaka miandry ny fianakaviany.

Taxi-be roa nifandona teny Ambohidranoman­ga, kaominina Imerintsiatosika, omaly maraina. Nandeha mafy ny iray ka tapaka hisatra. Nifatratra tamin’ny fiara iray hafa teo alohany. Tsy nisy aina nafoy.

Tra-doza rehefa avy nanao fampisehoana avy any Vakinankaratra ny tarika Raouto, afakomaly alina. Nivoaka ny arabe ny fiara sprinter nitondra azy ireo ka nifatratra tany anaty tanimbary. Tsy nisy aina nafoy.

Mpampianatra iray efa misotro ronono hita faty tao amin’ny fokontany Ambataria, kaominina Ambohi­milanja, distrikan’i Marolambo, afakomaly. Nipetra-drery io ramatoa io noho ireo vady aman-janany izay tsy monina any an-toerana. Tsy fantatra ny nahavanon-doza.

Partager sur: