Hatao eto Antananarivo, ny 2 sy 3 avrily ho avy izao, ny Fihaonambe momba ny otrikarena voajanahary, « Forum capital naturel », andiany fahatelo. Tanjona ny hampidirana ny otrikarena voajanahary amin’ny fanapahan-kevitra ara-toekarena sy ara-bola eto Madagasikara. Mikarakara azy ny tambajotra Nat Cap, eo ambany fiahian’ny minisitera Medd, tohanan’ny AFD, ny GEF ary ny WWF.
Vita ny lalana eo Ambatofitorahana, Ambositra, amin’ny RN7, mirefy 1,5 km (Pk 300 sy PK 301+500). Toerana tena ratsy, nampanahirana ny mpampiasa lalana hatramin’izay ity ampahan-dalana ity. Naharitra 3 volana ny asa ary noraisina vonjimaika ny herinandro lasa teo. Maro anefa ny lalana tena ratsy amin’iny RN 7 iny, indrindra ny eo Sakaraha hatrany Toliara, izay tsy fantatra mihitsy na harenina na tsia.
Manana toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro ny Ivontoerana faminavinana ny toetry ny andro eny Ampandrianomby. Nanohana ny fanatanterahana azy ny Pnud, tamin’ny alalan’ny tetikasa SOFF, miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny Antokondraharaha fampiroboroboana ny fampidiran-jiro eny ambanivohitra (Ader). Afaka miasa tsy tapaka, araka izany, ny sampana « météo », amin’ny famoahana ny vinavinan’ny toetr’andro.




