Mois : mars 2026

Ho fanomezan-danja ny vehivavy: Mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena i Madagasikara

Natomboka omaly, teny Ambodivona, ny fivoriana andraisan’ny firenena aty Afrika anjara hitondra amin’ny rariny ara-tsosialy manome lanja ny vehivavy. Manana solontena ao anatin’ny hetsika ny vehivavy mpitondra fivavahana, mpikatroka, mpisehatra amin’ny firaisamonimpirenena. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena momba ny zon’ny vehivavy ny hetsika atao. Tanjona ny hanome lanja politika […]

TARATRY ny KANTO

« Sôvan’jazz », eny amin’ny La Garage Antsahavola. Fiarahana hafa indray ity hiseho ny zoma izao ity, manomboka amin’ny 8 ora alina. Fampia­rahana talentan’ireo tanora mpanakanto samy manana ny maha izy azy : Tsanta Randriamihajasoa eo amin’ny vata maroafitsoka sy ny trompetra, Tonny Toufa Loux eo amin’ny zavamaneno ravaka, Sandratra Andria eo amin’ny […]

Andro maneran-tany ho an’ny poezia : Hanamarika izany ny Havàtsa-Upem

Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Toy ny fanaony isan-taona, hankalaza io vanim-potoana io ny Fikam­ba­nan’ny mpanoratra sy ny poety malagasy, Havàtsa-Upem, ny 21 marsa izao. Hotanterahina manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely ny « Tabataba an-tononkalo an-tokotany », amin’io andro io. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ka mandra-pahariva. Tsy natokana ho an’ny mpikambana […]

Hisy Hetsika maro : 100 taona, Clarisse Ratsifandri­hamanana

Mankalaza ny faha-100 taona nahaterahan’ny mpanoratra, Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana (CAR) ny taranany, amin’ity taona 2026 ity. Hetsika maromaro no hotanterahina, raha ny fandaharam-potoana novolavolain’izy ireo. Miatomboka amin’ny fampirantiana ny asasorany ao amin’ny Trano Sary, Ambohidahy, ny alarobia 8 avrily, maraina, ny hetsika. Fanombohana sady fitokanana, rahateo, ny efitra fampirantiana amin’ny […]

Faribolana Sandratra : Hitondra ny « Zarafanahy XIV »

Hanomboka amin’ny velakevitra anio, ny eto Antananarivo. Efa nisy kosa ny hetsika hafa tany amin’ny faritra. Hitohy amin’ny « Zarafanahy XVI » ny fanamarihana ny Volan’ny Poezia, ho an’ny Faribolana Sandratra. 21 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia. Natokana ho volan’ny poezia ihany koa ny volana marsa, noho izany. Tsy diso amin’ny fankalazana […]