Nidina an-dalambe nanao fitokonana sy nandoro kodiarana indray ny mpianatra Ankatso, omaly. Tsy nanaiky ny fifanarahana sy mangataka ny fialan’ny talen’ny Croua ny anton’ny fitakiana. Tsy nisy ny fanakanana nataon’ny mpitandro filaminana ny hetsika. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Vehivavy iray, manodidina ny 40 taona, maty an-drano, tao Antanifotsy, omaly. Mbola […]
Mois : mars 2026
Ambodirano Soavina : Olona telo mianadahy tratra nangalatra moto
Voasambotry ny polisy miasa eny Soavina, ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny olona miisa telo. Tratra nanosika sy nangalatra moto halatra iray teny Ambodirano Soavina izy ireo. Lehilahy roa sy vehivavy iray no tsikaritra nanosika moto, nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka nosavaina avy hatrany. Natao ny […]
Mpivarotra rongony – Anosizato: Olona efatra naiditra am-ponja vonjimaika
Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, omaly, ireo olona efatra mianadahy, tratra nivarotra sy nidoroka rongony tetsy Anosizato. Rehefa avy nampiakarina fampanoavana teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Raha tsiahivina, tratra teo am-pifohana rongony teny Antandrokomby Anosizato, ny roa lahy (17 sy 22 taona) tamin’izy ireo. Nasain’ny zandary nanondro ny […]
Moto sy fiara nifandona : Olona telo nitondra marary niara-namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar, omaly maraina tokony 10 ora. Olona telo nandeha tamin’ny kodiaran-droa tra-doza namoy ny ainy. Niseho teo amin’ny 50 km miala an’Ambilobe ny loza. Nifandona mafy teo amin’ny lalana anelanelan’Ambararata Loky sy Antanamivony, kaominina ambanivohitra Bitsiaka, Distrikan’ […]




