Mois : mars 2026

« 25 taona isika… » : Nampiray hina ny Malagasy ny tarika AmbondronA

Seho nahasarika olona maro ! Tafiditra anisan’ny seho fanombohana ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika no hoenti-manampy ireo traboina sy sahirana noho ny fandalovan’ny rivodoza tany Toamasina. Feno tanteraka ny P1 etsy amin’ny Kianjan’ Imahamasina, omaly, nandritra ny fampisehoana notanterahin’ny tarika AmbondronA. Jery ankapobeny, tsara fa­nombohana ireo hetsika na fampisehoana […]

Trano Kolotoraly Malagasy: Nodimandry Randrianjatovo Henri

Maro ireo nahita soa avy aminy na teto an-tanindrazana na ny any ivelany. Ran­drianjatovo Henri, iray amin’ireo oloben’ny fahalalana ara-panahy no tsy eo intsony. Sabotsy 7 marsa 2026, nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany, Ran­drianjatovo Henri filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy. Sehatra maro no nahafanta­rana azy. Goavana indrindra tamin’izany ny tontolo ara-panahy, […]

Tsipy kanetibe – PPF 2026: Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Malagasy

Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny dian’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny famaranana lehibe niadiana ny Passion Pétanque Française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina oma­ly tao amin’ny Boulo­drome Douaisis, France. Re­sin’­ny ekipan’i Baudino sy i Maurel ary i Delahaye, tamin’ ny isa 13 no ho 9 i Yves sy […]

DAKA AN-JORONY: Ketriketrika mahatonga kotrokotroka

Tsy mitsaha-mitombo sy miitatra tahaka ny sima misioka ny olana amin’ny fanatanjahantena, eto Madagasikara. Ny eo tsy voavaha, ny hafa miditra ihany. Misy manko ireo miketriketrika ka mahatonga kotrokotroka. Na tsy maresaka be aza, misoko mangina toy ny homamiadana ny fifandirana eo amin’ny lalaon-tsaina «echec». Mifandrirotra amin’izay mampety azy, ny […]