Tonga ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox. Fatra 30 000 no azon’i Madagasikara noho ny tohana avy amin’ny mpiray ombon’antoka, Unicef sy ny OMS. Novokarin’ny laboratoara Bavarian Nordic ny vaksiny. Hisitraka azy voalohany ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olona tena ahina amin’ny ambana hifindran’ny aretina. Hatramin’ny 3 marsa lasa teo, […]
Mois : mars 2026
Vadin’ny filoha, Randrianirina Elisa : « Fototra ho an’ny fiarahamonin’ny vehivavy »
Tanterahina etsy Mahamasina ny fampirantiana manasongadina ny harena ara-kolontsaina sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny vehivavy avy amin’ireo faritra 23. Hetsika natao hampahafantarana ny asa tanana, toy ny taozavatra sy ny zavakanto vokarin’ireo vehivavy izany. Maneho ny anjara biriky entin’ izy ireo manohana ny toekaren’ny ankohonana sy ny fampandrosoana ny firenena ihany […]
Minisiteran’ny fahasalamana : Nanao atrikasa ho an’ny CREC
Nanao atrikasa fanavaozana ny fandaharam-piofanana ho an’ireo mpisehatra “CREC”, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Notanterahina teto Antananarivo, nanomboka ny 04 hatramin’ny 06 marsa 2026 lasa teo izany. Atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra manoloana ny fiatrehana valanaretina sy areti-mifindra lehibe misy eto amin’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana mazava ny fomba […]
480 ireo sembana ao Toamasina : Hifarana anio, eny Behoririka, ny tolo-tanana fanampiana
Hifarana anio, amin’ny 12 ora atoandro, ny fandraisana ny tolo-tanana (téléthon) hanangonana fanampiana ho an’ny olona manana fahasembanana traboina any Toamasina. Eny amin’ny foiben-toeran’ny Plateforme des fédérations des personnes handicapées de Madagascar (PFPH Mad) eny Behoririka no hanaterana izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny PFPH, Radafiniantsoa Josoa. […]
SOMBIM-BAOVAO
Taorian’ny hetsika nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, hanolorana fanampiana ho an’ireo traboina any Toamasina, tonga nanatitra ny anjara birikiny sy ireo vokatra azo tamin’izany, teny amin’ny BNGRC, ny mpikambana avy ao amin’ny FMF, afakomaly. Tonga nanaraka azy ireo teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ireo ligy. Hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny CFFA […]




