Mois : mars 2026

Orinasa QMM : 100 tapitrisa dolara ho an’ny RSE

Fandraisana anjara amin’ny lafiny sosialy ny Andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ataon’ny orinasa QMM Taolagnaro, fa tsy fizarana vola. Tanjona ny hanatsara amin’ny fomba maharitra ny toe-piainan’ny mpiara-monina. Mitentina 100 tapitrisa dolara ny natokana, nanomboka ny taona 2023, ampiasaina mandritra ny 25 taona. Fandraisana anjara betsaka indrindra eto […]

Tsimiroro : Hamokatra solika HFO 3 000 barila isan’andro ny Madagascar Oil

Hiditra amin’ny hafainganam-pandeha mafy kokoa ny orinasa Madagascar Oil. Tanjona ny hivarotana ny solika mavesatra eto an-toerana hatramin’ny an’ny Jirama. Nisy ny fanovan-drafitra sy fitantanana nataon’ny mpitantana ny orinasa Madagascar Oil, mamokatra solika mavesatra Fuel Oil (HFO) any Tsimiroro, taorian’ny tranga Covid-19. Nilaza ny administratera jeneraly (AG) ny orinasa, Yanto […]

FANTINA sy FINTINA

 Nanatanteraka sakafom-pirahalahiana na “Iftar de la fraternité” toy ny fanaon’izy ireo isan-taona, anatin’ny volana Ramadany, ireo mpino silamo. Anisan’ny niatrika izany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nambarany fa fotoana fanarenana ny firenena izao ka manana andraikitra amin’izany ny rehetra. Anisany ny mpino silamo.  Tsy ny FFKM no tsy nahomby […]

Fandaharanasa Fanavaozana : Afapo tamin’ny diany teto ny iraky ny Sadc

Nahafa-po ny dia teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny 27 febroary ary nifarana omaly, araka ny nambaran’ny filohan’i Malawi teo aloha, Dr Joyce Banda, nitarika ny delegasionin’ny komitin’ny olon-kendry avy amin’ny Sadc. Nihaona tamin’ny minisiteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika teny amin’ny Lapam-panjakana, Maha­zoa­rivo izy ireo, afakomaly. Tamin’izany no nitondrany […]

Fikaonandohan’ny Panorama : Havondrona ho telo sisa ireo antoko politika

Nanatanteraka fikaonandoha savaranonando ny eo anivon’ny Vovonana Paikady anorenana rahampitso ho an’i Madagasikara (Panorama), ahitana antoko politika maromaro. Anisan’ny takin’izy ireo ny hanomezana hasina ny antoko politika. Voaresaka tamin’izany ny olana nateraky ny fana­o­vana politika. Nam­baran’ny mpandrindra ny Panorama, Randrianirina Ignace (Ramasy), fa tsy nanome lanja sy hasina ny antoko […]