Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano sy mpivarotra tato ho ato. Notafihin’ ny jiolahy indray ny tokantrano iray mpivarotra enta-madinika tany Atsimontsena, disitrikan’i Tsiroanimandidy, ny ‘ alakamisy hifoha omaly zoma 6 marsa 2026, tamin’ny 12 ora. Niditra an-keriny sy nandroba tao amin’io tsena io ireo jiolahy miisa telo. Nirongo fitaovam-piadiana toy […]
Mois : mars 2026
Ramonjavelo Valery: Naiditra vonjimaika am-ponja eny Avaradrano
Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano, Ambohidrabiby, afakomaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valery. Taorian’ny nivoahan’ny didy fanapahana laharana 01-HCC/D2, tamin’ny 03 marsa 2026, izay navoakan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly. Nohenoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 Ha, ny tenany ary […]
Ambohimalaza : Valo lahy nangalatra lakolosim-piangonana
Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy nangalatra lakolosim-piangonana tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, afakomaly. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo valo lahy niray tsikombakomba tamin’ny fangalarana lakolosim-piangonana, FJKM Ankadindravola, fokontany Andranosoa, kaominina Ambohimalaza, afakomaly. Lasan’ny olon-dratsy ny lakolosy lehibe iray. Naharay fitarainana momba io tranga io ny ekipan’ ny zandary. Olona miisa valo […]
Fifindra-monina anatiny : Nahatratra 73 000 ny olona nitsoaka haintany
Natolotra omaly, teny Anosy, ny fanehoana ny vokatry ny asa fikarohana anatin’ny tetikasa Promic, tohanan’ny GIZ, mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny fifindra-monina anatiny eto Madagasikara. Nanatanteraka ny fikarohana ny Université des Nations- Unies (UNU-EHS). Haharitra roa andro ny atrikasa hizarana ny zava-misy momba izany sy ny vahaolana azo ampiharina […]
INDRAY MIJERY
Tombanana hahazo vahana kokoa ny oram-baratra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana, amin’izao faran’ny herinandro izao. Vinavinaina hahatratra 50 hatramin’ny 80 mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Nahazo fampitandremana miloko maitso ny morontsirak’i Ambatosoa, Analanjirofo ary Toamasina. Tranoheva miisa 100 no hanaovana fampirantiana ireo vokatry ny asa tanan’ireo vehivavy […]




