Mois : mars 2026

Sata mifehy ny OMDA: Tanjona ny tsy hiankina amin’ny minisitera intsony

Hatreto, fitantanan-draharaha eo anivon’ny minisitera misahana ny Kolontsaina ny Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona na Omda. Tafiditra ao anatin’ilay volavolan-dalàna hitondrana fanitsiana momba ny rafitra mifehy ny hisintahany. Efa an-taonany maro no nangataka izany ireo mpanakanto mpamorona. Efa nisy ny tolo-dalàna ho fanitsiana ny lalàna 94-036 tamin’ny 18 septambra […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny fifamoivoizana any Andalama­hitsy RN4, eo Ramala (PK179) sy ny PK 185, ny 6 sy 7 marsa ho avy izao. Manomboka amin’ny 7 ora maraina izany hatramin’ny 4 ora hariva. Antony, hisy asa fandrarahana godirao amin’ireo ampahan-dalana ireo. Tsy misy ny fivilian-dalana (déviation). Voarara tanteraka ny fandehanan’ny fiara […]

Positive Brand : Ilaina ny paikady hampiroboroboana ny serasera

Manan-danja lehibe sady mila atao isan’andro ny lafiny serasera entina hampahalalana ny mpanjifa, toy ny orinasa, ny rafi-panjakana na tsy miankina, ny fikambanana iray. Izay no nahatonga ny fiaraha-miasan’ny orinasa malagasy Becom sy ny orinasa avy atsy La Réunion, Stratégie & Terri­toire Océan Indien, nandrafitra ny Positive Brand Madaga­sikara. Fomba […]

Madagascar Airlines: Hamoraina ny fahafa­hana manjifa tapakila

Nitondra fanazavana mahakasika ny saran’ny sidina anatiny ny kaompania Madagascar Airlines manoloana ny resabe momba izany. Nambarany fa miankina amina toe-java-maro ny saran’ny sidina, toy ny fotoana fanjifana ny tapakila, ny fahafenoan’ny sidina ary ny fepetra mifandraika amin’ny tapakila tiana vidina. “Entina hanatsarana ny fitaterana ana habakabaka ny hetra samihafa […]