Mois : mars 2026

Fahasalamana ara-pananahana: Vavolombelon’ireo tranga maro ny rasazy

« Herisetra ara-pananahana, vohoka tsy iriana, fanalan-jaza tsy tomombana tany ambadika tany, aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, fanaovana fandrindram-piterahana miafina…. Vavolombelona mivantana, miaina ireny tranga ireny izahay rasazy », hoy Razanaliliany Hajasoa, filohan’ny fikambanan’ny rasazy ao Matsiatra Ambony. Rehefa misy ny fahasarotana dia tonga eny ireo vehivavy mila vonjy. Mandray an-tanana […]

Fampianarana : Misongadina ny tsy fanarahan-dalàn’ ny sekoly ambony

Nanatanteraka fitsirihana tampoka ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, tamin’ity herinandro ity. Nisy ny onivesite roa nanatanterahana izany. Nisongadina ny endrika tsy fanarahan-dalàna maro. Nanatanteraka fitsidihana tampoka teny ifotony hitiliana ny zava-misy eny amin’ny sekoly ambony eto Madagasikara ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Antony ny ahafahana mijery […]

FMF : Fantatra ny toerana hanaovana ny fivoriambe

Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, fantatra izao fa hotanterahina any Antsirabe, ny faran’ny volana marsa ho avy izao, ny fivoriambe ara-potoana (AG) an’ny Federasionina, raha tsy misy ny fiovana farany. Mandritra io fotoana io no hanaovan’ireo mpitantana ny rafitra federaly mitantana ny baolina […]

Nosimbain’ny vahiny : Diso fahavalo ny vehivavy malagasy

Tsy nety sy tsy nifanaraka tamin’ny foto-pisainana vahiny ny fametrahana ny vehivavy ho loharanon’ny taranaka (miteraka, mitaiza, manabe). Nezahin’izy ireo nopotehina izany. Ho an’ny Malagasy, tsy mety ny «vehivavy fotsy varavarana». Ho an’ny vahiny, mila mivoaka ny trano miasa ny vehivavy hanampy ny lehilahy. Nampidirin’izy ireo ihany koa ny karazana […]

Volley-ball – CCCOI 2026 : Resin’ny Port-Louis Maurice ny Mama VBC

Nitohy omaly, tatsy Sey­chelles, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny klioba tompondaka na ny CCCOI, taranja volley-ball. Teo amin’ny sokajy lehilahy, lavon’ny Port-Louis avy atsy Maurice, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny Mama volley-ball club Madagasikara. Ny seta voalohany ihany no lasan’ny ekipa malagasy, izay norombahiny […]