Mois : mars 2026

Anosipatrana : Lehilahy nandroba volan’ny mpampiasa 3 tapitrisa Ar

Voasambotry ny mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asa ratsiny ny lehilahy iray teo Anosipa­trana « Trano dimy », ny alin’ny sabotsy 22 marsa lasa teo. Nanao fisafoana nandritra ny alina teny amin’io faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana io ny eki­pan’ny polisim-pirenena. Na­haray antso an-telefaonina izy ireo fa misy olona mampiahiahy tratra […]

Kamiao tra-doza : Olona telo naratra mafy

Nipitika ivelan’ny kamiao ny olona roa tamin’ireo telo voa mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “autoroute” mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanga, omaly tolakandro. Kamiao iray nidona tamin’ny rindrim-bato manasasaka ny arabe. “Nipitika nivoaka teo amin’ny fitaratra aloha an’ny fiara ny roa tamin’ireo tra-doza”, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nifamonjena, nentina nihazo […]

Hita faty tao anaty tsena : Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany

Hita nitsirara tamin’ny tany, voarasa antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray 67 taona, omaly maraina. Nisy namono tao an-tsenany, ao Mahavoky avaratra izy. Hita faty tao amin’ny fo­kontany Mahavoky avaratra, kaominina Maha­janga, omaly maraina, ny ve­hivavy mpivarotra amin’ny toeram-pisotroana iray. Ahina novonoina tao an-tsenany ihany izy, raha ny fampitam-baovao […]

Baolina kitra – PFL : Manamafy ny toerany ny Disciples Fc

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahasivy sy fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny kaonferansy Atsimo, mbola mitana ny lohany sy manamafy ny toerany, ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2, ny As Ste Anne, […]