Notanterahina afakomaly ny fitokanana ny ampahan’asa vita, tamin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nitarika izany tany an-toerana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël. Ho fanohizana ny raharaham-panjakana, notokanana afakomaly, tao Toamasina ny toeram-piantsonana vaovao ho an’ny sambo lehibe. Mahatratra 333 metatra amin’ny 470 metatra, tokony ho halavan’ny […]
Mois : mars 2026
INDRAY MIJERY
Tontosa ny fampiofanana ireo tanora ho mpandraharaha eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Naharitra 10 andro ny fiofanana nomena ireo tanora miisa 44 manana fikasana ho lasa mpandraharaha. Ity fiofanana ity no atao hoe “Fanomanana fikotrehana” (pré-incubation, deuxième cohorte) ka hita tao anatin’izany ny (Culture entrepreneuriale, Développement personnel, Ledearship, Idéation et GALS). […]
Miteraka aretina : 90% ny tokantrano mampiasa rano misy bakteria
Nandritra ny fivoriana faha-39 nandraisan’ny mpitondra fanjakana afrikanina anjara, tany Addis-Abeba, ny volana febroary lasa teo, lohahevitra nisongadina tamin’ny lahadinika ny rano. Niompanan’ny adihevitra ny fahafahana manana antoka ho an’ny fisian’ny rano maharitra sy ny rafitra fanadiovana hahatratrarana ny tanjon’ny taona 2063. Zo fototra ho an’ny isam-batan’olona ny fisitrahana rano […]
Famaranana ny RAMADANY : Natokana hanatonana an’Andriamanitra
Nomarihan’ny mpino silamo tamin’ny fotoam-pivavahana sy fanaovana fety, ny fifaranan’ny fifadian-kanina, ny zoma lasa teo. Vanim-potoana manan-danja izany satria natokana hibebahana sy hanadiovana ny fanahy ary hanatonana an’Andriamanitra. “Hitondra fiovana goavana eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay sy ho an’ny firenena ny vavaka nataon’ny mpino silamo”, hoy Absouary Said Arsène, filohan’ny […]
Aretin’ny saina sy fientanam-po: Mila fitsaboana sy fanohanana ny marary “bipolaire”
Nikarakara atrikasa momba ny “bipolarité” sy tohana azo atao amin’izany ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, afakomaly, teny Analakely. Nandray anjara ny mpitsabo saina sy ny olona efa miaina ny aretina. Ny 31 marsa ho avy izao no Andro maneran-tany natokana ho an’ny aretina “bipolaire”. Izay indrindra no antony nanosika ny fikambanana […]




