Nisantaran’ny lehiben’ny governemanta ny asany ny fametrahana ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly. Nitsidika ny sampandraharaha misahana ny famerenana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai) izy, omaly. Nifampizara hevitra ahafahan’ny Arai manatsara fomba fiasa manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famerenana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna, […]
Mois : mars 2026
TSELATRA
Mbola mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olona mety ho voakasika tamin’ny raharaha Ambohimalaza, nahafatesana olona manodidina ny 36. Hatramin’izao, olona efatra no notanana vonjimaika am-ponja. Anisan’izany ny tompom-pety sy ny reniny. Nahatratra 47 kosa ireo olona nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana. Vavolombelona 30 no efa nohenoina. Naiditra vonjimaika am-ponja […]
Ambohimangakely : Telo lahy nangalatra moto naiditra am-ponja
Olona miisa telo tamin’ireo dimy voasambotra nalefa any am-ponja taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely, afakomaly. Nitrangana halatra moto tao Soanierana-Ambohimangakely, ny alin’ny 25 aogositra 2025. Tsy hita popoka ireo moto nalain’ny olon-dratsy tao anatin’ny garazy iray tamin’io fotoana io. Nanao fisavana tampoka tamin’ireo mpitondra moto ny […]
Fenoarivo: Mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara
Nandositra ny fiara sprinter nandona ka nahafaty mpitondra moto iray teny amin’ny digue mampitohy an’Ampitatafika sy Fenoarivo, omaly. Nitondra mpandeha avy any Fenoarivo ny taksibe iray, araka ny fampitam-baovao. Nipitika teny afovoan’ny arabe ilay mpitondra moto taorian’ny fifandonana. Naratra mafy ity farany ka voatery nentin’ireo nanatri-maso teny anivon’ny hopitaly. Tsy […]
Analakely : Mpanendaka gagilahy, lavon’ny balan’ny polisy
Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy mampiasa antsy, maty voatifitry ny polisy tetsy Analakely, ny alin’ny talata lasa teo. Mikendry mpandeha sy mpivezivezy amin’ny alina izy ity. Lavon’ny balan’ny polisy tetsy Analakely, ny talata alina hifoha omaly alarobia, ny jiolahy iray 21 taona malaza ratsy amin’ny asa fanendahana. […]




