Mois : mars 2026

Tambajotra Sega-One Health : Hampivondrona mpikaroka manampahaizana

Mikarakara fihaonana isam-paritra ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) amin’ny alalan’ny tambajotra Sega – One Health, ny 30 sy 31 marsa izao, ao amin’ny Institut Français de Maurice. Natokana ho an’ny fomba fiasa “Fahasalamana tokana” na One Health izy ity. Hanasongadina ny fifampiankinan’ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana […]

Filatex : Namboly zana-kazo honko tany Mahajanga

Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny vondron’orinasa Filatex. Anisan’izany ny fambolen-kazo toy ny nataony any Boanamary, Mahajanga. Tanjona ny hanarenana ny rohivoahary sady hanohanana ny velontenan’ny mponina eny ifotony. Mivelona amin’ny ala honko rahateo izy ireo, izay toeram-ponenan’ny hazandrano, fototry ny jono. Araka izany, nahatratra 40 000 ny […]

Vaomieran’ny Vondrona afrikanina : Nanolotra 200 000 dolara hanampiana ireo traboina

Mitohy ny tohana ataon’ny fikambanana na rafitra ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany amin’ny faritra Atsinanana. Nanolotra taratasim-bola mitentina 200 000 dolara, hanampiana ireo traboina niharan’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Nanamafy ny tale jeneralin’ny BNGRC, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy nahitana korontana loatra ny famatsiana lasantsy SP95 teto Antananarivo, omaly. Araka ny efa nampahafantarin’ny OMH, tonga omaly ny sambo mitatitra solika avy any Oman, ary mandritra ny 2 andro eo ny fandaminana ny fitsinjarana. Tsy misy olana kosa ny famatsiana gazoala sy ny solitany fandrehitra. Inoana fa hitohy izany […]

Famerana ny ravimbola ho 1 000Ar: Hampiakatra ny lanjan’ny vola malagasy

Betsaka ny tombontsoa ara-toekarena mahakasika ny tetikasan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanova ny rafitry ny vola eto Madaga­sikara. “Hampakatra ny lan­jan’ny Ariary sy hifehezana ny fivezivezen’ny vola ary hampakatra ny tahan’ny fampia­sana banky (taux de bancarisation) izany”, araka ny fanazavan’ny mpahay toekarena, Rakotoarisoa Tahina. Ana­tin’ny vanim-potoan’ny teknolojia ihany koa isika […]