Nampidirina vonjimaika am-ponja ny talen’ny ivontoerana fanofanana amin’ny asan’ny mpisolovava, IFPA, teo aloha, araka ny fampitam-baovaon’ny Bianco, omaly. Anisan’ny vesatra iampangana azy ny kolikoly sy ny fandraisana mpianatra 19 taona, raha 21 taona no fetran-taona farany ambany takina amin’ny fiatrehana ny fanadinana.
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly, fa tsy mpanohitra velively ny antoko tarihiny. Nanentana ny rehetra ny tenany ny amin’ny tokony hanaraha-maso ny fanatanterahana ny tondrozotra na nambarany aza fa tsy nakana ny hevitry ny Tim izany. Ny resaka toerana kosa, nohitsiny fa 16 taona tsy nahazo izany izy ireo ka tsy olana.
Voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, indray ireo lehiben’ny faritra vonjimaika. Anisan’izany ny faritra Vatovavy, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Hanitriniaina Elys Karena. Voatendry koa ny any Melaky sy Atsimo Atsinanana. Voatendry tamin’izany koa ny Prefet an’i Morondava.
Miroso amin’ny fandravonana sy fizarana ireo hevi-dehibe nisongadina tamin’ny fakan-kevitra natao isaky ny faritra ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’izao fotoana izao. Nanao atrikasa fanamafisana izany izy ireo, omaly, teny Nanisana.




