Naneho ny heviny momba ny fandraisana andraikitry ny tanora eto amin’ny firenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tena fotoana hirotsahan’ny tanora an-tsehatra izao.
Notsiahiviny ny nahavoafidy azy ho ben’ny Tanàna voalohany teo amin’ny faha-28 taonany. Amin’izao fotoana izao, mahafinaritra ny filoha nasionalin’ny MMM ny mahita tanora maro manana vina sy fandavantena handray andraikitra. Natsidiny tamin’izany fa ho avy ny fifidianana isan-tsokajiny atsy ho atsy. « Mampirisika anareo tanora izahay ho kandidà amin’ireny fifidianana ireny, indrindra fa ny Gen Z », hoy izy. Nanteriny fa ny fifidianana ihany no tena fandrefesana raha maharesy lahatra ny hevitra entin’ny tsirairay.
Notsindriny fa ny maha olom-boafidy eny ifotony no ahitana fianarana tsara indrindra raha te hisehatra amin’ny politika.
Niaiky anefa ny tenany fa mbola lesoka goavana eto amintsika ny fifidianana, lasa feno hosoka sy kolikoly ka tsy nahafahana nitsara marina. « Tokony hiadiana mafy izany ao anatin’izao fanavaozana izao », hoy izy. Nomeny toromarika ireo tanora mba hanangana ekipa, fidirana anaty antoko politika, fitadiavana mpiara-miasa ary ny famaritana ny fandaharanasa. Resena lahatra ny manodidina, araka ny nambarany.
Tsy tokony ho kivy raha tsy mahomby
Na izany aza, nohitsiny fa tsy voatery mahomby foana ary tsy tokony ho kivy. « Tolona sy fianarana lalandava ny politika », hoy izy.
Momba ny fanamarihana ny 29 marsa teo, nambarany fa tsy nisy takalony ary mitoetra ho lova sarobidy ka tokony hohajaintsika sy hotohizantsika hatrany ny fitiavan-tanindrazan’ireo nitolona tamin’izany. Tolom-panafahana vaovao kosa no miandry amin’
izao fotoana izao. « Ny ady amin’ny fahantrana, ny tsimatimanota, ny kolikoly ary ny fametrahana fanjakana tsara tantana sy mangarahara. Mendrika hanomezam-boninahitra ireo ray aman-drenintsika izany », hoy izy.
Synèse R.




