Nianjeran’ny kaontenera teny ambony kamiao ny fiara kely iray, omaly. Maty tsy tra-drano, voatsindry tao anaty korotam-by, ny renim-pianakaviana sy ny zanany. Avotra soa aman-tsara ny lehilahy iray.
Maty tao anatin’ny indray mipi-maso ny renim-pianakaviana sy ny zanany, omaly. Potsitra sy potika nianjeran’ny kaontenera niraikitra tamin’ny kamiao nivadika ny fiara nitondra azy ireo. Teny Andranomangatsiaka, kaominina an-drenivohitra Manjakandriana, no nisehoan’ny loza. Fiara kely iray marika Hyundai, miloko mainty avy aty an-drenivohitra hiatsinanana ity tra-doza ity.
Voalaza ho nahatonga ny loza ny fahatapahan’ny “transmission” an’ilay mpitatitra entana. Mbola feno vary rahateo izany nandritra ny loza. Nampivarahontsana ny zava-nitranga, fisaka tanteraka ilay fiarakely sy izy mianaka taraiky tao anatiny. Marihina fa avy any Toamasina, nitondra vary hiakatra no nifanena ny fiara roa. Efa tazomina atao andry maso eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny mpamily.
Nieren-doza
Ankoatra azy mianaka, avotra soa aman-tsara ny raim-pianakaviana niaraka tamin’izy ireo. Tsy voatery tao ambany fiara izy ka nieren-doza. Nentina notsaboina any amin’ny hopitaly CHRD Manjakandriana izy ny tolakandro. Mbola ao anaty dona ara-tsaina tanteraka izy raha ny filazan’ny mpitandro filaminana.
Niara-tonga nizaha ny loza ny zandary sy ny polisim-pirenena. Niara-nifanome tanana amin’ny fokonolona nisikotra ny razana ao ambanin’ilay kaontenera. Hatramin’ny fotoana nanoratana, omaly alina, mbola mihitsoka ao izy mianaka. Anisan’ny nampitarazoka ny famoahana izany ny vesatry ny entana ao anatin’ny kaontenera izay tsy maintsy halana tsikelikely.
Efa mandray an-tanàna ny fanadihadiana ny polisim-pirenena ankehitriny.
Mino




