Hanaovana fety hatramin’ny ratsy ? Isaky ny 1 avrily, tahaka ny anio, no ambaran’ny vahiny fa «Fetin’ny lainga». Midika ho fanomezana vahana ny lainga sy ny mpandainga? Sa, fitiavana ny hanao fety tsotra izao? Na tsy rototra amin’ny fomba hoenti-manamarika azy io aza ny Malagasy. Ny fombany mihitsy no efa tsy mankasitraka ny lainga.
Feno 10 taona ny «Fampianarana teny malagasy maneran-tany». Ny tambanjotran-tserasera facebook no nahafantarana ity sehatra ity. Miezaka ny hametraka ny teny malagasy ho «teny malagasy marina, mazava, madio, mihaja». Noraisina ho fomba fiasa ny: «fampianarana vokatry ny fo, mpampianatra tena malagasy ary fifandraisana maneran-tany». Samy itodihan’ny fampianarana avokoa ny mpianatra, ray aman-dreny sy izay rehetra liana amin’i Madagasikara.
« Miara-mihira », iarahana amin’i Lizah Raseta. Ny tarika Gabhi (Kintana Telo) no tena nahafantarana an’i Lizah Raseta. Ankoatra an’i Gabhi, mpanakanto maro no efa niaraka nihira taminy. Anisan’izany i Abel Ratsimba, i Salomon, ireo mpanakanto zandry taty aoriana, toa an-dry Gothlieb, sns.




