Zotra tsy maintsy arahina

Nirongatra indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona. Loza tsy nahy sy tsy ampoizina avokoa ny ankamaroany. Misy ihany ny tsy fitandremana isan-karazany. Raha ny zava-misy ankehitriny, tsy ampy ny filazana fa tandrevaka no fositra. Misy tokoa ny loza, tsy hay hazavaina. Mijininika ny ra, miampatrampatra ny maty. Tsy mifidy taona na sokajim-piarahamonina.
Ilana fahamalinana ara-panahy fa tsy ampy intsony ny fahamailoana amin’ny maha olombelona. Iaraha-mahalala rahateo ny zava-misy. Mahazo vahana ny fironana ara-panahy, tsy miankina amin’Andriamanitra na ilay Zanahary, arakaraka ny filazana azy. Mahazo laka tsikelikely ny fiheveran-tena ho ivon’ny zava-drehetra. Ampiroboroboina ilay olombelona vatana sy saina fa tsy fanahy.
Tsy ifanomezan-tsiny anefa ny zava-miseho. Samy amin’ny safidiny ny olom-pirenena tsirairay. Nomen’ilay mpahary saina sy fo afaka misafidy ny lalan-kizorany ny isam-batan’olona. Tsy misy manan-jo ny hitsara na hanome tsiny an’iza na iza. Anatin’ny vanim-potoan’ny tetezana miampita amin’ny 2 000 taona manaraka, taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ny zanakolombelona.
Tsy misy idiran’ny hoe kristianina na tsia anefa, fa ilay vaninandro sy ny fanisan’andro mihitsy no efa mirona manaraka ny lahatra sy lamina voajanahary. Misantatra 2000 taona vaovao, anatin’ny taon-jato voalohany ny olombelona. Ireo mpikirakira ny fahalalana ana habaka, toy ny mpahay kintana sy ny volana ary ny masoandro no manana ambara betsaka mahakasika izay.
Na inona na inona anefa miseho, zava-dehibe ny fahaizana manaraka ny onjan’ny fiainana. Tsy hoe minomino fahatany fa hafa ihany ny maharaka ny fivoaran’ny natiora sy ny fisainan’ny zanakolombelona. Tsy tsara ny tampohan-draha. Ilaina ny manaraka ny zotra tsy maintsy arahina.

r.r

Partager sur: