Tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ny tantaram-pirenena sy ny tantaran’ny fiangonana. Ho fankalazana ny Paska rahateo. Toy ny fanaony isan-taona, hanatanteraka ny « Antsa Paska » ny Chorale Orimbato.
Manamarika ny faha-200 taonany ny Trano Printy voalohany teto Madagasikara izay an’ny Fiangonana FJKM. « LMS Printing House » ny anarany tamin’izany. Tonga teto Madagasikara, ny 21 novambra 1826 ny milina fanaovam-printy voalohany nentin’i Charles Hovenden avy amin’ny London Missionary Society (LMS). Napetraka tao Ambatonakanga izy io.
Izany fifamatoran’ny tantara amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga izany no nipoiran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Trano Printy FJKM Imarivolanitra sy ny Chorale Orimbato, izay hanolotra ny Antsa Paska milohateny: « Mpandresy izy, ary ianao? ».
Alahady 5 avrily, amin’ny 4 ora hariva, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hetsika hampitambatra ny fivavahana sy ny kolontsaina. Handrenesana hira Paska nalaina tamin’ny Tiona protestanta FFPM anisan’ny vokatry ny Trano Printy FJKM. Fizaram-potoana voalohany, hameloman’ny Orimbato ireo hira FFPM, tsy dia fandre intsony amin’ny andro Paska toy ny « Ry voasatro-tsilo » (H.L Hassler), « Vita izao ny fandresena » (Samuel Randrianandraina)… Fizaram-potoana faharoa, hanandratana ireo hira (amin’ny teny malagasy sy teny vahiny) mitondra ho amin’ny fiainam-pandresena, toy ny « Ampiraiso izahay » (Andriantsoavina) , « O happy day » (Edwin Hawkins) … Hira 12 raha hatambatra.
Soratra Masina anankinana ity Antsa Paska ity
“Koa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika” Romana 8:37.
HaRy Razafindrakoto




