« Revy be pro max ». Izay ny lohatenin’ilay fampisehoana goavana hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alatsinain’ny Paka izao. « Io no fety goavana indrindra eto Antananarivo sy ny manodidina amin’io. Nosafidiana manokana ho ireo mpanakanto malaza tena andrasan’ny maro no hampiarahina ao », hoy ny nambaran’i Tantely Ralalarison, avy ao amin’ny Live Prod, mpikarakara. Efa nitsirika ny toerana teny amin’ny Coliseum izy ireo, omaly. Nandamina ny fiarahana ry Lico Kininike, Dadi Love, Anicette, Wendy Cathalina, Majesty, Elidiot, Ckycky, ALG, Douze X 16, sns. Tarika 10 samy hanao eo amin’ny adiny iray sy sasany avy eo izy ireo. « Tsy maintsy manome fahafaham-po ny mpankafy rehetra eto izahay », hoy ny nambaran’i Lico Kininike, nisolo tena ireo mpanakanto, omaly. Sambany ho an’ny tarika sasany koa ny sehatra goavana, toa an-dry Douze X 16 sy ry ALG.
Zo ny Aina




