FANTINA sy FINTINA

Nesorina tsy ho depiote Ramanatanana Ro­meo, voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana-Itasy, araka ny fanapahan-kevitry ny HCC, omaly. Voasambotra tamin’ny raharaha trafikan-tsokatra ny tenany, ny taona 2024, ary naiditra am-ponja. Misolo toerana azy, araka ny didin’ny HCC, Randrianarison Rivo Setra.
Ny dokotera Miharisoa Ramananarivo indray izany izao no solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tim, etsy amin’ny boriborintany fahenina. Voatendry ho mpikambana eo anivon’ny governemanta, eo amin’ny toeran’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny depiote teo aloha, Andria­mampandry Todisoa.
Voatendry ho filohan’ny filankevi-panjakana Rabarisoa Andrianiaina. Efa filohan’ny filankevi-pitantanana teo aloha, teo anivon’ny EDBM izy. Efa mpikambana tao amin’ny “Cour électorale spéciale” nisahana ny fifidianana tamin’ny 2013. Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fitsarana koa ary “Président de chambre” tao amin’ny Conseil d’État.
Namaly ny fanakianana azy ireo eo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty fa tsy maintsy faritana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fanomezana tambin-karama sy tombontsoa ara-bola ho an’ny mpiasam-panjakana. « Voafehin’ny didim-panjakana isan-taona ny tambin-karama ho an’ny mpiasa amin’ny fanatanterahana ny tatitra ampahibemaso », hoy izy ireo.

Partager sur: