Mampanontany tena mihitsy ny andavanandrom-piainan’ilay Malagasy. Vao maraina, omaly, tena mbola anaty haizina dia efa filaharambe ireny milina fisintonana vola eny amin’ny banky ireny. Toraka izany ny filaharana fiara fitateram-bahoaka. Vao miposaka ny masoandro, efa lavabe ny filaharana taxi-be. Izay tsy milahatra, mifanosika, mitady hirika rehetra ahatafidirana anatiny. Soa aloha, fotoana fialantsasatry ny mpianatra izao, vetivety ihany dia rava ny filaharambe. Etsy ankilan’izany, mahagaga fa tena tsy mety ahitam-bahaolana ilay fitohanan’ny fifamoivoizana. Mbola maraina, efa mitandahatra ny fiara mizotra, miakatra aty an-drenivohitra. Mainka manampy trotraka izany ity nametrapetrahana dongona isaky ny lalana migodana ity. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy ” Autoroute” asiana ireny. I Madagasikara ihany aloha no hafakely! Natsangana ho vahaolana ireny, kinanjo lasa olana sy fototr’olana indray. Ilaina fiheverana sy fahaizana manavaka ny sakana tsy ahafahana mandroso sy ny filana sokajin’olona vitsy. Ny an’ny Malagasy, ny tsy mitandrina sy ny olon-dratsy indray matetika no mampirisika ny fanapahan-kevitra raisina. Hadino ny tombontsoa iraisan’ny besinimaro. Masin-teny ny mpandrahona, to teny ny manam-bava. Mivadika ny rasa, mahazo laka sy mivadika ho fenitra ilay lainga tsara lahatra. Voafitaka na mijabaka hatrany amin’ny manampahefana fara-tampony. Filaharambe na fitohanana tsy azo hodian-tsy hita koa ny mahakasika ny fitadiavan-tseza eny amin’ny minisitera, indrindra ireo vaovao. Vao maraina amin’ny enina ora, efa feno ny efitrano fiandrasana eny amin’ny birao. Misy minisitra rahateo, notapoham-pahefana ka mafana fo sy tena mavitrika. Mandraka ny misasaka alina ny fandraisana olona. Ny miarahaba miarahaba, maro anefa no mitady toerana.
Misy mihitsy ny avy amin’ny faritra, nanokana fotoana hihaonana amin’ireny minisitra vaovao ireny. Ny ilam-baliny fotsiny dia ny hoe tena mahazo izay tadiavina tokoa ve ny olona izay mamono andro milahatra, miketriketrika eny amin’ny minisitera ireny?
r.r




