Ginea Ekoatorialy-Madagasikara: Fiaraha-miasa efatra vita sonia

Fametrahana ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny firenena roa tonta, fifanarahana rafitra ankapobeny momba ny fiaraha-miasa, fifanarahana ara-politika, fanalana “visa” ho an’ireo mitondra pasipaoro diplaomatika sy pasipaoro ho an’ny mpiasam-panjakana. Ireo ny fifanarahana efa-tonta vita sonia teo amin’ny minisitry ny Raha­raham-bahinin’i Madagasi­kara, i Alice N’Diaye, andaniny; ankilany, ny minisitry ny Raharaham-bahin’i Ginea Ekoatorialy, i Siméon Oyono Esono Angue, nandritra ny lanonana ofisialy natao tany Malabo, Ginea Ekoa­torialy, tamin’ny 31 mar­sa lasa teo.
Dingana manan-tantara eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta izao fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-mia­sa izao, ary mametraka ny fototra ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra stratejika maromaro, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly. Izany dia vokatry ny fifampiraharahana teo amin’ny filoham-pirenena roa tontxa: andaniny, ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kolonely Ran­drianirina Michaël; ankilany, ny filohan’i Ginea Ekoatorialy, i Teodoro Obiang Nguema Mbasogo. Nandritra ny fitsidihana ofisialy nataon’iry voalohany tany Malabo, Ginea Ekoatorialy, ny 26 sy 27 mar­sa lasa teo, araka ny fanasan’ity farany.
Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny samy tatsimo sy fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ho amin’ny tombontsoa iombonana sy fampandrosoana ny mponina ao aminy avy ny fanaovan-tsonia.

R. Nd.

Partager sur: