Nifamonjena tao anatin’ny dobo fanondrahana voly, namoy ny ainy, ny zazavavy iray vao 2 taona sy 3 volana monja, tao Ankazobe, ny talata 31 marsa teo.
Vatana mangatsiakan’ilay zazavavy vao 2 taona monja hany sisa azon’ny fianakaviany tao anatin’ny dobo iray, tao amin’ny fokontany Antsampanimahazo, kaominina Miantso, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Nentin’ny ray aman-dreniny teny an-tsaha io zaza io, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Napetraka tsy lavitra ny toerana niasan’izy ireo. Nikisaka nanamorona ny dobo ilay zaza kanjo nilatsaka tampoka. Niezaka namonjy azy ny nanatri-maso saingy tsy tana intsony ny ainy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandarimaria miasa ao an-toerana, niaraka tamin’ny mpitsabo taorian’ny fampandrenesana. Voamarina fa fahasemporana vokatry ny rano nianjerany no nahafaty ity farany. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay zazavavy rehefa vita ny fizahan’ny mpitsabo.
Tandrevaka
Tsy fanaraha-maso ara-potoana sy tandrevaka avy amin’ireo olona akaiky azy no heverina ho nitarika ny fahamoizan’aina nahazo ity zazavavy ity, araka ny loharanom-baovao. Niroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana noho ity tranga ity nahafatesana olona. Nanao fanentanana manokana ho an’ny mponina eny amin’ny manodidina ny kaominina. Miantso rahateo izy ireo fa ilaina ny fitandreman’ny tsirairay manoloana ny fiakaran’ny rano. Tokony harahi-maso matetika koa ny zaza hisorohana ny voina tampoka tahak’ity niseho ity.
Tsiferana R.




