Tetikasa EAGER : Hanova ny fiainan’ny vehivavy

Hotanterahina amin’ny faritra 11 (Analanjirofo, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Melaky, Menabe, Sofia, Vatovavy, Vakinankaratra), hatramin’ny taona 2029, ny tetikasa East Africa Girls Empowerment and Resilience (Eager). Hanabe sy hanamafy ny traikefa arak’asa sy hanome asa ny vehivavy izy io. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-ma­naony ka hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena. Misokatra ho an’ny vehivavy 18-35 taona, manerana ireo faritra voalaza etsy ambony, ny tetikasa. Handrindra izany ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hamatsy vola izany ny Banky iraisam-pire­nena. Hanatanteraka ny asa kosa ny « Unité de facilitation de projets » (UFP) sy ny « Fonds d’intervention pour le développement » (Fid). Hanombana, handrindra, hanara-maso ary hitandro ny kalitaon’ny sehatry ny fandraharahana kosa ny MIDSP.

Henitsoa

Partager sur: